Acts 18

1Ary tao aorian’ireo zavatra ireo Paoly dia niala tao Atena ary nankany Korinto. 2Nihaona tamina Jiosy nantsoina hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, izay vao tonga avy tany Italia niaraka tamin’i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy rehetra hiala tao Roma. Paoly nankeo amin’izy ireo, 3ary satria varotra mitovy ihany no hiasany, dia niara-nipetraka tamin’izy ireo izy ary niasa, fa ny manao lay no asan’izy ireo.

4Ka niady hevitra tao amin’ny synagoga isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatra ireo Jiosy sy Grika izy. 5Fa rehefa nidina avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty, dia noteren’ny Fanahy hanambara amin’ireo Jiosy fa Jesosy no Kristy i Paoly. 6Rehefa nanohitra sy nanesoeso azy ireo Jiosy, dia nanofaofa ny lambany tany amin’izy ireo i Paoly ka nanao hoe: “Ho eo amin’ny lohanareo anie ny rànareo; tsy manan-tsiny aho. Fa manomboka izao dia ho any amin’ny Jentilisa aho.”

7Dia niala teo izy avy eo ary nandeha nankany an-tranon’i Titosy Josto, lehilahy izay manompo an’Andriamanitra. Ny tranony dia akaikin’ny synagoga. 8Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin’ireo rehetra izay nipetraka tao amin’ny tranony; ary maro tamin’ireo Korintiana izay nandre momba izany no nino sy natao batisa.

9Ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana ny alina hoe: “Aza matahotra, ary aza mangina fa mitenena. 10Fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hahazo hanao ratsy anao, fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho.” 11Nitoetra tao herintaona sy enim-bolana i Paoly ary nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo amin’izy ireo.

12Fa rehefa lasa governoran’ny Akaia i Galio, dia niara-nitsangana ireo Jiosy hanohitra an’i Paoly ka nitondra azy teo anatrehan’ny toeram-pitsarana; 13niteny izy ireo hoe: “Io lehilahy io dia mandresy lahatra ny vahoaka mba hanompo an’Andriamanitra izay mifanohitra amin’ny lalàna.”

14Ary raha handeha hiteny Paoly, dia niteny tamin’ny Jiosy i Galio hoe: “Ianareo Jiosy, raha toa ka resaka zava-dratsy na heloka izany, dia mbola azo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo.” 15Fa hatrizay nisian’ireo fanontaniana momba ireo teny sy anarana ary lalànareo manokana ireo, alaminonareo izany. Izaho tsy maniry ny ho mpitsara izany raharaha izany.”

16Galio nanala azy ireo hiala teo amin’ny sezam-pitsarana. 17Ka nisambotra an’i Sostena izy rehetra, ny mpanapaka ny synagoga, ary nikapoka azy teo anoloan’ny toeram-pitsarana. Fa Galio tsy niraharaha izay nataon’izy ireo.

18Paoly, rehefa avy nipetraka tao nandritry ny andro maromaro kokoa, dia namela ireo rahalahy ka niondrana an-tsambo ho any Syria niaraka tamin’i Prisila sy Akolia. Talohan’ny niaingany teo amin’ny seranan-tsambo dia nohetezany tao Kenkrea ny volony noho ilay voady izay nataony. 19Rehefa tonga tany Efesosy izy ireo, dia navelan’i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy tenany niditra tao amin’ny synagoga ka niady hevitra tamin’ireo Jiosy.

20Rehefa nangataka an’i Paoly mba hijanona elaela izy ireo, dia nandà izy. 21Fa nandao azy ireo izy, niteny hoe: “Mbola hiverina aty aho raha sitrapon’Andriamanitra izany.” Dia niondrana an-tsambo niala tao Efesosy izy avy eo.

22Rehefa niantsona tao Kaisaria i Paoly, dia niakatra izy ka niarahaba ny fiangonan’ny Jerosalema ary nidina nankany Antioky avy eo. 23Rehefa avy nitoetra ora maromaro tao izy, dia niainga i Paoly ka nitety ireo faritr’i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra rehetra.

24Ary nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Apolosy, teraka tany Aleksandria, tonga tao Efesosy. Izy dia nahay nandaha-teny sady nahalala tsara ny Soratra Masina. 25Apolosy dia nampianarina tamin’ny fampianaran’ny Tompo. Mahafatra-po amin’ny fanahy, izy niteny sy nampianatra marina ireo zavatra mahakasika an’i Jesosy, kanefa ny batisan’i Jaona ihany no fantany. 26Apolosy nanomboka niteny am-pasahiana tao amin’ny synagoga. Fa rehefa naheno azy i Prisila sy Akoila, dia naka azy ho eny amin’ny sisiny ary nanazava taminy marina kokoa ny lalan’Andriamanitra.

27Rehefa naniry mba hamakivaky an’i Akaia izy, dia nampahery azy ireo rahalahy ary nanoratra ho an’ireo mpianatra tao Akaia mba handray azy. Rehefa tonga izy, dia nanampy betsaka ireo izay nino tamin’ny fahasoavana. Apolosy nanohitra mafy ireo Jiosy tamin’ny ady hevitra ampahibemaso, nampiseho tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.

28

Copyright information for PltULB